Andrasana ato ho ato ny fampahafantarana ny ho praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nitondra ny heviny momba izany ny eo anivon’ny RPSD, amin’ny alalan’Andriantsizehena Benja Urbain (Bebin). “Fotoana izao ilana ny teknisianin’ireo antoko efa voky traikefa sy nitana anjara toerana teto amin’ny firenena ho mpiara-miasa na ho minisitra”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny tsy azo ihodivirana eo amin’ny fitantanana izy ireny. Efa nanaovan’ny filohan’ny Repoblika antso avo rahateo izany. Indrindra ireo niara-dalana taminy hatramin’izay mba hifanome tanana ho fampandrosoana miaraka ny firenena.
“Anisan’izany ireo antoko efa nisedra safidim-bahoaka. Niatrika fifidianana filoham-pirenena, ireo efa nanana vondrona parlemantera : depiote sy loholona na koa ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina”, hoy izy. Manana rafitra sy mpikambana hatrany ifotony ny maro amin’izy ireo ka ilaina sady mahalala ny olana fototra… “, hoy hatrany ity solombavambahoaka taloha ity.
Nohamafisiny fa betsaka ny asa vitan’ny filoham-pirenena teo amin’ny fe-potoana niasany voalohany. Niaiky koa izy fa misy ny tsy lavorary. Toy ny fiaraha-miasa amin’ireo ekipa ao an-dapa sy ny manodidina ny filoha ary ny teny anivon’ny governemanta.
Synèse R.