Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro teto amin’ny Nosy, nihotsaka omaly hariva, ny ampahan-dalana any amin’ ny lalam-pirenena RN7, ao amin’ny fokontany Mahazengy Fianarantsoa, eo amin’ny PK 416+300. Nanodidina ny tamin’ ny 2 ora tolakandro no nirodana izany. Misesy ny oram-be entin’ny rivodoza any an-toerana. Niteraka tondradrano sy fiakaran’ny rano tao antampon-tanànan’ny faritr’i Matsiatra Ambony izany. Vokany, tsy nahazaka rano ny lalana ka tapaka sy nihotsaka. Noho izany, Mikorontana ihany koa ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Tsy afaka mandeha intsony ny fiara lehibe izay mitondra entana. “Afaka mandeha ihany kosa ny fiara madinika sy ny mpandeha an-tongotra saingy ilaina fanaraha-mason’ny mpitandro ny filaminana”, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Olona iray naratra nirodanan’ny trano
Ankoatra izay, trano iray nirodana tao amin’ny fokontany Rova, any Fianarantsoa, noho ny oram-be tsy ankijanona. Vokany, olona iray naratra. Tonga tany an-toerana avy hatrany ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana ary ny mpitondra fanjakana. Tsiahivina fa anisan’ny misedra olana goavana i Fianarantsoa rehefa misy fandalovan’ny rivodoza toy izao. Ohatra amin’izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro.
Mino