Ratovohery Toavina, mitondra ny anarana “Ashiko Ratovo”, amin’ny maha mpahay kanto azy. Malagasy tanora misehatra amin’ny fanaovana haikanto an-tsary, toy ny fanaovana sary tanana, ny hosodoko ary ny sary sokitra. Anisan’ny tena manavanana azy ny filalaovana lokorano. Efa hatramin’ny fahakeliny izy no liana tamin’ny haikanto sy ny fanaovana sary. Manodidina ny roa taona teo no nidirany teo amin’ny sehatry ny matihanina. Tanjony ny hivoatra sy hampivoatra hatrany ny tenany sy ny haikantony.
25 taonany i Ashiko Ratovo ary efa manomboka mametraka ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny haikanto an-tsary. Ny volana desambra 2022 izy no namoaka ny marika hosodoko “Loko rano”. Nitohy ny fahombiazana, ny volana mey 2023 izy no voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana 2023”, tamin’ny alalan’ny tetikasany “Tsy manan-kialofana”. Nandrombaka ny “Prix Courant du Monde”, sokajy “Pitch d’animation”, tamin’ny alalan’ny “La Fabrique des filles”, niarahany tamin’Andriarimanjaka Dina Nomena izy.
Vao nahavita ny fandalinana mahakasika ny tetikasany “Tsy manan-kialofana”, tao amin’ny Cité internationale des Arts, tao Paris, izy. Hisy ny fampirantiana hataony ao amin’ny IFM Analakely ho fanehoana ny vokatry ny fandalinana sy ny fikarohana mahakasika ny tetikasany.
Lin