fahatsiarovana : hisy ny hetsika ho an’i Ndrematoa

Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 31 janoary 2024, eny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampirantiana ho fanomezam-boninahitra sy hahatsiarovana an-dRandrianomenjanahary Dieu Donné na i Ndrematoa. Teo amin’ny sehatry ny fanaovana tantara an-tsary no tena nahafantaran’ny maro azy. Efa tomponandraikitra teo anivon’ny IFM Analakely. Ireo sanganasany fony fahavelony no haranty mandritra hetsika.
Anisan’ny nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary malagasy i Ndrematoa. Nahafantarana azy koa ny tantara an-tsary “Poli-fika”, “Tanà Blues”, “La porte du sud”… Mbola kely izy dia efa nandray anjara tamin’ny «Festival d’Angoulême» , anisan’ny hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary. «Vavolombelona tsy niteny ny fivoaran’ny firenena ny sary novokariny. Misarika ny tsiky sy ny zava-misy, amin’ny alalan’ny fomba sarotra, mampihomehy toy ny manimba». hoy ireo mpankafy azy.

Lin

Partager sur: