Fanalefahan-tsazy: gadra maherin’ny 2 000 nivoaka ny fonja

Notanterahina avy hatrany ny fanalefahan-tsazy nomen’ny filohan’ny Repoblika ny faran’ny taona teo. Voafonja miisa 9 757 nisitraka izany.

Miisa 9 757 ny voafonja manerana ny Nosy nisitraka ny fanalefahan-tsazy nomen’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny taona teo. Afaka nivoaka ny fonja avy hatrany ny 2 766, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Toy ny isan-taona, amin’ny vanim-potoana tahaka izao, misy ny didim-panjakana noraisina, raha ny fahefana manokana ananan’ny filohan’ny Repoblika.

Tsy maintsy arahina ny masontsivana amin’ny fanomezana fanalefahan-tsazy, araka ny voatondron’ny lalàna. “Anisan’ny jerena manokana amin’izany ny havesatry ny heloka nataon’ilay voafonja, ny taonany, ny faharetan’ny saziny”, hoy hatrany ny fanambarana.

Tsy ny rehetra…

Tsy ny heloka rehetra no afaka misitraka ity famindram-pon’ny filoha, Rajoelina Andry, ity. Misy ny heloka tena tsy ahazoana fanalefahan-tsazy mihitsy, raha ny fampahatsiahivan’ny fiadidiana ny Repob­lika. Anisan’izany ny fanodinkodinana volam-panjakana, ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny vono olona, ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo, ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny fanjakana, ny fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena, sns.
Tsiahivina fa ankoatra ny amin’ny famaranana ny taona tahaka izao, matetika manome fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja koa ny filoham-pirenena amin’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena, ny 26 jona.

Synèse R.

Partager sur: