FANTINA sy FINTINA

Novangian’ny mpomba ny vondron’ny kandidà (C11) ireo voafonja miisa 5 mirahalahy eny Antanimora, ny faran’ny taona teo. Nisy ny fanomezana avy amin’ny “Hetsika fotsy” avy any La Réunion natolotra azy ireo tamin’izany. Hivoaka ny 30 janoary ny didy.

Nifamela ny depiote Ramaroson sy ilay mpanao gazety, Rakotomalala Rossignol, rehefa avy nohadihadian’ny polisy tetsy Anosy, ny 30 desambra teo. Tsiahivina fa voarohirohy ho nanao kaonty hosoka an’ity depiote ity io mpanao gazety io ary efa nody any Manakara.

Nambaran’ireo eo anivon’ny Antenimie­ran’ny raiamandreny (ARFM), ny faran’ny taona teo, fa hofaranana ny endri-panjanahana. “Hanao ny tolom-panafahana isika koa mitaky ny hampitsaharana ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa aloha… Aleo hifandinika ny samy Malagasy”, hoy izy ireo.

“Tsy manana voly fanondrana, tsy manana ny harena ananantsika i Kaomoro”, hoy ny kandidà Ratsietison Jean Jacques. Manafatra ny entana ilain’ny mponina izy ireo saingy tsy mihen-danja tahaka ny Ariary ny farantsa kaomorianina. Tsy miovaova ny volany ka tsy miankina amin’ny tolotra sy ny tinady, araka ny nambarany.

Partager sur: