Fiatrehana ny taom-baovao : nanampy ireo marefo ny antoko Hiaraka isika

Tsy nanadino ireo tokantrano marefo ny  antoko Hiara­ka isika amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Naneho ny fifampitsinjovana ho mariky ny fihavanana sy amin’ny maha antoko maneho firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-belona azy ny mpiara-dia amin’ny Jly Camille Vital. Nisitra­ka asa sosialy avy amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpandrindram-paritry ny Hiaraka isika, i Tovoniaiko Arnauld Ho­noré, ireo tokantrano sahirana maherin’ny 200 ao Toama­sina, ny 31 desambra teo. Ahitana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), toy ny vary fotsy, menaka sakafo, savony, ronono, siramamy, paty ireo marefo avy amin’ny fokontany maromaro tamin’izany.
Etsy andaniny, mbola asa soa sy sosialy koa no nataon’ny delegasionin’ny antoko Hiaraka Isika ka nitondra fa­nampiana ho an’ i Frederic Pascal. 38 taona izy io kanefa efa mizaka ny marary azy, noho ny aretina ka nahajamba ny masony. Tsy mahita intsony ary tsy maintsy nanapahana ny tongony ka lasa vesatra ho an’ny vady aman-janany. “Efa ho dimy taona izahay nipetraka tamin’ ity trano ity ary tsy nampandoavin’ny tompony hofan-trano. Namidin’ny tompony anefa ny tany ka voatery tsy maintsy hiala izahay, koa mangataka amin’ny malala-tanana ny amin’ iza­ny”, hoy izy ireo.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: