Fiatrehana rivodoza ; Skoto 120 nirotsaka an-tsehatra

Tanora skoto tily miisa 120 no nirotsaka teny anivon’ny fiarahamonina ny andro voalohany amin’ity taona vaovao 2024 ity. Nampiomana ireo mponina mandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro izy ireo. Nanao fanentanana sy fampiomanana ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe, amin’ny fiatrehana izany. Toy ny tao Toliara I, Toliara II, Morombe, Morondava sy Manja izay efa nahazo fampitandremana loza mitatao.
Mampita ny tsara ho fantatra rehetra mahakasika ny rivodoza, mampahatsiahy ireo fihetsika tokony hatao mialoha, mandritra ary aorian’ny fandalovany no tena nimasoana tamin’izany. Tanjona ny hampihena ny fiantraikan’ny loza mandalo eo amin’ireo mponina sy hisorohana ny mety ho famoizana aina.
Efa mivonona amin’izay mety ho firotsahana any amin’ireo fikarakarana traboina ihany koa ireo skoto tily ireo raha ilaina izany.
Miara-miasa akaiky amin’ireo ambaratongam-pahefana any an-toerana sy ny BNGRC ary ny Unicef ny Tily nandritra ny asa firotsahana an-tsitrapo. Hivelatra any amin’ny faritra hafa ny asa firotsahana hatao, araka ny filàna.
Feno 100 taona amin’ity taona ity ny skoto tily eto Madagasikara izay hanokatra ny fankalazana ny jobily, ny 27 janoary ho avy izao.

Vonjy

Partager sur: