Ravalomanana Marc: « Hotohizana ny tolona »

“Hanohizana ny tolom-panafahana ny taona 2024. Mila sahy sy mijoro isika rehetra mba hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena. Tsy hanaiky ny fametrahana ny jadona sy ny fitondrana tsy rafesi-mandidy isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, teny Faravohitra, omaly. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ny tenany. Niantso fahasahiana hanavotana ny firenena izy mba hahaleo tena marina. Nanteriny fa tsy firenena voaozona i Madagasikara. Tsy natao hiaina ao anatin’ny fahantrana na hanaiky ny tsindrihazolena sy ny fampiasan-kery ny vahoaka malagasy. “Tsy mijanona ny tolona raha tsy manjaka ny fahamarinana, ny tena tany tan-dalàna, ny fahazoana maneho hevitra, ary manana ny sakafo ara-dalàna sy ny sahaza azy ny tokantrano tsirairay”, hoy izy.
Ilaina ny firaisan-kina hamelomana ny fanantenana ary hamerenana ny fiandrianam-pirenena.
Nambarany fa nampanginina ny marina sy tsy nahazo naneho hevitra malalaka ary nanaovana ny ramatahora ny Malagasy. Nampahatsiahy ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa izy. Anisan’izany ny tolona tsy nanekena amboletra manodidina ny fifidianana, izay nambarany fa sarintsarim-pifidianana.

Synèse R.

Partager sur: