Rivodoza Alvaro : 421 traboina, tanimbary 200 ha dibo-drano

Namakivaky an’i Madagasikara, omaly ilay rivodoza Alvaro. Tokantrano 99 tra-boina tany Morombe. Tapaka ny lalam-pirenena fahafito. Dibo-drano ny tanimbary any Beroroha.

Hatramin’ny omaly ato­andro, 421 ny isan’ny tra-boina tao Morombe. Nisy olona 401 voatery nafindra toerana. Toeram-pandraisana enina : Ambohitsy, Anta­nandava, Avaradrova, Tsihake ary Tsinjorana no nametrahana azy ireo. Vokatry ny faharavan’ny trano fonenana sy ny fiakaran’ny rano no nandraisan’ny manampahefana izao fanapahan-kevitra izao. Fefiky ny rano ireo trano miisa 99 nisy ny tra-boina, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly atoandro.

Dibo-drano ny tanàna ao Morombe.
Maro ny fotodrafitrasa simba, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Nahatratra 167 mm ny refin’ny rotsakorana nilatsaka tao anatin’ny 24 ora, hoy ny tomponandraikitry ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Nitondrana sakafo masaka ny traboina nafindra toerana, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Lalana tapaka
Ankoatra ny tany Morombe nahita faisana koa ny tao Matsiatra Ambony. Tapaka ny lalàna eo Mahazegny, mialoha ny hidirana amin’ny tanàna. Araka ny vaovao avy amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, tsy azo hifamezivezena intsony ny lalam-pirenena RN 22A mampitohy an’i Vangaindrano sy Taolagnaro eo amin’ny baka Masianaka sy Befasy. Tao amin’ny distrikan’i Beroroha, 200 ha ny tanimbary dibo-drano.

Lasa andro ratsy
Omaly dia efa nihena ny herin’i Alvaro. Notombanana ho 45 km isan’ora ny rivotra nentiny narahina tafiotra mitsitokotoko 55 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nanohy ny diany miatsinanana izy amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora. Mbola hitoetra ny rotsakorana matevina miaraka aminy indraindray amin’ny afovoantany sy ny ilany Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Nivoaka an-dranomasina halina, any amin’ny faritra Vatovavy na Fitovinany ny sisan-drahona miaraka aminy.

Vonjy

Partager sur: