Vita fety : sarotra ho an’ny fitadiavam-bolan’ny tsirairay ny volana janoary

Nihanoka ny fankalazana ny fety telo sosona ny vahoaka tsirairay nandritra iny vo­lana desambra ha­tramin’ny fiandohan’ny taona teo iny. Miezaka mitady vola ahafahana miatrika ny volana janoary sy ny vo­lana manaraka in­dray, taorian’izany.

Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao, miverina amin’ny fiainana andavanandrony avokoa ny ankamaroan’ny olona. Anisan’izany ny fanangonam-bola hiatrehina ny volana manaraka, taorian’ny fankalazana ny fety telo sosona lasa teo, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny vanim-potoana sarotra amin’ny fitadiavana sy ny fidiram-bola ho an’ny tokantrano ny volana janoary hatramin’ny volana marsa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nandray karama mialohan’ny faran’ny volana desambra avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa, teo anelanelan’ny 23 hatramin’ny 29 desambra izany. Antony ny ahafahan’ny isan-tokantrano niomana tamin’ny fankalazana ireo fety telo nisesy ireo. Maro tamin’ny tokantrano no efa niomana sy nanao tahiry dieny mialoha, raha ny fanadihadiana natao. Mba tsy hanahirana ny fiatrehana ny volana manaraka.
« Tsy nanao fandaniana be loatra izahay tao an-tokantrano nandritra ny fety », hoy Razafindrangita Marie Claire, renim-pianakaviana iray. Ni­laza izy ireo fa zava-dehibe sy tena ilaina tanteraka ny fitsinjovana ny fiainana andavanandro na dia teo aza ny fety. Nohamafisiny fa tsy azo atao ny mandanilany foana fa ilaina ny fahaizana mandamina sy mitsinjo ny hoavy. “Tsy nanokana volabe mihitsy tamin’ny fety satria tsy maintsy mitsinjo ny fiatrehana ny andro aorian ‘io fety io”, hoy kosa ny olon-tsotra hafa nanontaniana. Natao tsotsotra nitovy tamin’ny andavanandro ihany, araka izany, ny fankalazana ny fety ho azy ireo. “Nampiavaka izany fotsiny, ny fividianana vatomamy ho an’ny ankizy, ny fiaraha-misakafo teo amin’ny mpianakavy”, hoy hatrany izy. Mba tsy hanahirana sy hijalina rehefa tonga ny volana janoary, raha ny fanazavana hatrany.

Nanao tahiry

Ankoatra izay, nisy kosa ireo olona nanao tahiry sy ezaka manokana, hiatrehana ny fiainana aorian’ny fety. Mba hanamaivanana ny fahasahiranana rehefa fotoana aorian’ny fety, hoy hatrany ireo olona nanontaniana. «Anisan’ny vo­lana tena mafy indrindra amin’ny fitadiavam-bolan’ny olona ny volana janoary», hoy Ran­driamanana Tojoniaina, raim-pianakaviana.
Nilaza izy fa tsy maintsy notsinjaraina ny karama noraisina tamin’ny volana desambra lasa teo. “Teo ny natokana hanaovan’ny ankohonana fe­ty, teo koa ny hiatrehana ny fandaniana mandritra ny volana janoary”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy nolaniana tamin’izany avokoa ny karama fa tsy maintsy nasiana ny tahiry. Mba hiomanana ny andavanandrom-piainana, mandritra ny volana janoary. Nilaza izy fa tsy antontam-bolabe no natokana ho amin’izany, fa rehefa misy hiatrehana ny volana manaraka dia efa ampy. Mba tsy hijalian’ny vady aman-janaka.

????????????????????????????????????

Tsy mandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra

Tsy nivarotra fa nanokana fotoana niaraha-nifety tamin’ny ankohonany ny ankamaroan’ny mpivarotra, nandritra ny fankalazana ny fety lasa teo. Nanomboka niverina nivarotra kosa izy ireo omaly. « Mangina tsy toy ny mahazatra ny fandehanan’ny tsena amin’izao fotoana aorian’ny fety izao », hoy i Tiana, mpivarotra etsy Anosy. Nohazavainy fa nihena ny tahan’ny fanjifan’ny olona ny vokatra ilaina andavanandro eny anivon’ny tsena. Tsy mividy aingitraingitra ihany koa ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Lasa 500 Ariary ny menaka jifain’ny mpanjifa amin’izao, raha toa ka tokony hividy fahefany izy ireo. Lasa 2 000 Ariary ihany koa ny hena raha toa ka misy mividy 500g ny olona sasany. « Lany vola nandritra ny fety ny ankamaroan’ny olona ka antony mampihena ny fanjifan’ny olona ny entana ilaina andavanandro », hoy hatrany ny mpivarotra. Ankoatra izay, mangina tanteraka tsy toy ny tamin’ny andro talohan’ny fety ny lalana eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny etsy Analakely, Behoririka sy ny manodidina, raha ny zava-misy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: