Tsy miandriandry. Hamoaka ireo anarana telo izay ho praiminisitra ny vovonana IRD, anio. Avy amin’io lisitra io no hisafidianan’ny filohan’ny Repoblika.
«Izahay no maro anisa. Tsy maintsy miainga avy aty aminay ny anarana hatolotra ho praiminisitra, ary ny filohan’ny Repoblika no tompon’ny teny farany. Tsy misy depiote IRD na iray aza afa-kitsipaka izany, raha mbola ao anatin’ny antoko TGV sy ny vovonana IRD”. Io ny nambaran’ny depiote IRD, Raholdina Naivo, omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginany izay amin’ny fiandrasan’ny filohan’ny Repoblika anarana telo avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena.
Efa eo am-panomanana izay anarana izay ry zareo, omaly. Tokony hivoaka anio izany raha tsy misy ny fiovana. Nivory ny mpikambana amin’ny vovonana omaly. ”Tsy miandriandry ny raharaham-pirenena. Olona efa voavolavola no hatao Praiminisitra. Tsy hoe tampotampohina fotsiny , hodinihina iray na roa volana, fa mba efa any an-tsain’ny tsirairay ary efa tokony ho fantapantatra.”, hoy ny mpampita vaovao.
Fahaiza-manao sy fahavitrihana
Tsy hametraka antoko mpanohitra ao amin’ny fitondrana ny vovonana IRD. Nohamafisin’izy ireo fa mpanohitra fampandrosoana ary efa iaraha-mahita ny nataony. Tsy maintsy ao anatin’ny vovonana IRD ny anarana hatolotra. Ny filohan’ny Repoblika no mahafantatra ny olona miasa na tsia. Tsy hoe efa ela no teo amin’ny toerana na vao haingana ny fanendrena Praiminisitra. Ny fahavitrihana sy ny fahaiza-miasa ary ny fahatokisana no tokony hojerena. Tsy misy maharatsy ny fahelana eo amin’ny andraikitra. Na izany aza, mijanona ho tsiambaratelo aloha ireo anarana. Inoany fa mbola misy 100 mahery ny depiote IRD azo antoka. Ny dikan’izay: mbola maro anisa ry zareo. Mivoatra rahateo ny politika, arakaraka ny zava-miseho.
R. Nd.