Zam Ambohidratrimo: Taonan’ny fampandrosoana ny 2024

Nentin’ny fikambanana Za­nak’Ambohidratrimo Maro­vata­na (Zam) namarana ny taona 2023 ny fitetezana ireo fokontany sivy ao anatin’ny kaominina Ambohidra­trimo. Tsy antoko politika ity fikambanana ity fa raisiny ho taonan’ny fampandrosoana ny tao­na 2024.
Nisy ny fihaonana sy ny tafatafa niarahan’ny filohany, Rabary Hery, tamin’ny raiamandreny tao amin’ny sakeli-tanin’Ambohitara, ny fokontany Ambovo, Ambohidehilahy ary Ambodisaha. Niresahana sy nihainoana mivantana ny olana sedraina sy ny hetahetan’ny mponina isaky ny fokontany. Voaresaka ny jiro mampikaikaiky azy ireo, ny rano, ny tsy fananan’asa, ny fantanjahantena ho an’ny tanora.
Nandroso vahaolana ho an’ny tombontsoa iraisana ny filohan’ny Zam, satria fampandrosoana an’Ambohidratrimo no tanjona. Tsiahivina fa efa notolorana baolina kitra ny fokontany maromaro tamin’ny faramparan’ny taona 2023 teo.

Fitsaboana

Nisy tranga manokana tao amin’ny fokontany Ambohide­hilahy. Nesorin’ny mpampiasa azy tamin’ny asany ny mpianadahy, noho ny aretina « tu­berculose » nahazo azy ireo. Nanolotra ny hoenti-manana amin’ny fitsaboana azy ireo ny filoha, Rabary Hery, ary nentina hozahana fahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA. Hitohy mandritra ity telo volana voalohany 2024 ity ny hetsika fitsaboana faobe ho an’ny mponina rehetra manerana ny fokontany sivy. Nisy ny fizarana vatomamy ho an’ny ankizy ho mariky ny krismasy sy ny faran’ny taona.

Njaka A.

Partager sur: