Ankadikely Ilafy: jiolahy roa lahy voatifitry ny zandary

Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nitam-piadiana maty voatifitry ny zandary, tetsy Ankadikely, afakomaly. Nototoin’ny jiolahy vodibasy kosa ny tompon-trano saika norobaina.

Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny jiolahy roa lahy, tao amin’ny fokontany Manazary, kaominina Anka­dikely Ilafy, ny alin’ny talata 2 janoary teo. Nahare antso vonjy ny mponina manodidina ka nampandre ny zandary. Nihetsika avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Am­batobe sy ny avy eo anivon’ny borigadin’Ankadikely. Nifa­ne­hitra tamin’ireo olon-dratsy tao anaty haizina izy ireo. Nana­poaka basy ireo jiolahy. Rai­kitra ny fifamaliana tifitra. Vokany, voan’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpandroba. Tapitra ny ain’izy roa lahy minitra vitsy, noho ny fahaverezan-dra be loatra. Nirifatra nandositra ny namany, mpiara-manao asa ratsy tamin’izy ireo.

Voavely vodibasy

Naratra mafy voavely vodibasy nataon’ireo jiolahy ny olon-tsotra iray lasibatra. Tsy nisy nahina kosa ny ainy. Voatery manaraka fitsaboana noho ny ratra. Efa am-pelatanan’ny zandary ny basy nampiasain’ny jiolahy. Marihina fa toerana malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny vaky trano miharo daroka ny ao amin’ny manodidina, fokontany Manazary.
Alain’ireo mpandroba hatramin’ny akoho amam-borona ao am-pisoko mihitsy ho an’ireo tokantrano efa lasibatra. Tsiahivina fa vao ny taon-dasa teo no nahatrarana mpangalatra telo lahy teny Betsizaraina, tsy mifanalavitra an’i Manazary. Efa mamita sazy eny am-ponja avokoa izy telo lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: