Atletisma : hisy semi-marathon roa amin’ny taona 2024

Feno ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Hiavaka satria hisy semi-marathon roa. Ny iray fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Mahajanga, ny 31 marsa ho avy izao. Ny volana mey, hisy ny semi-marathon international. Fihaonana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpihazakazaka avy any ivelany anjara. Tsy mbola voafaritra ny daty hanatontosana izany eto Antananarivo.
Hanombohan’ny federasiona ny hetsika ny fifaninanam-pirenena, amin’ny cross country, hatao any Ambaton­dra­zaka, ny 8 marsa 2024.
Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, miandry ny fanasana manokana «wild card» avy amin’ny komity olympika iraisam-pirenena (CIO), ho an’i Sidonie Fiada­nantsoa hahazoana man­dray anjara amin’ny “lalao Olym­pika”, hatao any Paris Fran­tsa. Ankoatra izay, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany anaty efitrano ity Malagasy atleta ity. Fifa­ninana hatao ny 1 ka hatramin’ny 4 marsa. Hiha­za­kazaka ny halavirana 60 m misy fefy izy. Tsy mbola fantatra ny firenena handray izany. Hisy koa ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy «junior», hatao any Perou, ny 26 – 31 aogositra 2024.
Tsiahivina fa hofaranana ny volana jona ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny FMA.

Tompondaka

Partager sur: