Efa manomboka miroborobo maneran-tany ny famokarana orinasa mikendry ny fanajana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny tetikasa famokaran’ny fikambanam-behivavy “Arimbao” eto an-drenivohitra.
Misy fikambanam-behivavy 30 avy ao amin’ ny fokontany Andohatapenaka II, misehatra amin’ ny famokarana arina fandrehitra ekolojika «Arimbao». Vehivavy Mahery no anaran’ny fikambanan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vokarin’ny Programme de solidarité Andohatapenaka et environnement, PSAE, eo anivon’ny CDA. «Mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka madinika ny tetikasa satria manatsara ny fari-piainana sy manome asa hiveloman’ny vehivavy izany. Indrindra ho an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana sahirana eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra», hoy ny mpampiroborobo ny tetikasa, eo anivon’ny PSAE, Randriamamonjy Anna Manoa. Ankoatra izay, miaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampiasana fako sy potika arina efa simba ny fanamboarana izany.
Mandalo dingana maro ny asa fanodinana sy famokarana ny arimbao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fikambanana. Voalohany indrindra, angonina ny akora, vovo-tsaribao no ampiasaina. Totoina atao malemy tsara, avy eo sivanina. Andrahoina amin’ny vilany mandritra ny 30 minitra eo ny koba mangahazo (fecule). Afangaro amin’ny vovo-tsaribao izany rehefa masaka, ary ampiana sira vaingany. Mba hahatsara ny vokatra. Volavolaina hahazo endrika izay tiana avy eo ary hamainina tsara mba ho azo ampiasaina tsara.
Mampihena ny fako
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana azy ity. Anisan’ny mampihena ny fiparitahan’ny fako mivangongo manerana ny toerana samihafa eto an-drenivohitra izany. Mampihena ny fandaniana eo anivon’ny tokantrano ihany koa ny fampiasana ity arina fandrehitra ekolojika ity. “Raha tokony ho 1 000 Ariary ny vola natokana hividianana saribao ao anatin’ny andro iray, lasa 500 Ariary kosa izany noho ny fampiasana arimbao”, hoy ny mpanolotsain’ny fikambanana Mahery, Ravololonirina Edmée. Nilaza izy fa raha maka arimbao eo amin’ny dimy isa eo dia saribao kely natao andrehetana azy fotsiny sisa ilaina.
Amin’ny maha arina fandrehitra ekolojika ny Arimbao. Mampiasa akora fototra maro isan-karazany ireo fikanam-behivavy. Tafiditra ao anatin’ izany, ny vovo-tsaribao. Eo ihany koa ny koba mangahazo ary ny poti-kanina na hodi-kanina efa tsy ilaina intsony. Miara-miasa amin’ny mpivarotra saribao sy olon-tsotra izy ireo amin’ny fanangonana ny akora, raha ny fanazavana hatrany.
Toy ny asa rehetra ihany ny fanaovana arimbao. Ilaina ny toe-tsaina manana firaisan-kina eo amin’ny mpikambana. Takina ihany koa ny fitiavana sy fanetren-tena ary ny fahazotoana. Miditra amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro ny tapany maraina. Amin’ny 2 hatramin’ny 5 ora kosa ny tapany hariva.
Mahavokatra arimbao 70 -80 kg isan’andro izy ireo
Vao haingana, tao anatin’ny 8 volana, izy ireo no nisehatra teo amin’ny fanaovana ny arimbao. 32 ireo vehivavy mpikambana. 15 kosa ireo olona misehatra amin’ny fanamboarana sy fanodinana ny vokatra hatramin’izao. Tanjona ny hamokarana arimbao manodidina ny 100 kg isan’andro. Manodina arina eo amin’ny 70 hatramin’ny 80 kg isan’andro eo izy ireo. Hatramin’izay nanaovan’izy ireo ny asa, mbola vitsy ny mpanjifa. Saika ireo mpiray tanàna eny anivon’ny fokontany iasany ihany no ahitana mpanjifa betsaka. Nambarany hatrany fa efa eo an-dalam-panitarana sy fampahafantarana ny vokatra
amin’ny olona rehetra izy ireo. Nanomboka nandefa ny vokatra manerana ny toerana maro eto an-drenivohitra ity fikambanana ity, ny 22 desambra lasa teo.
Mampihatra ny fiofananana azony ireo vehivavy
Efa nahazo fiofanana tamin’ny tetikasa nokarakarain’ny eo anivon’ny CDA ireo fikambanam-behivavy ireo. “Efa niaina sy nampihatra izany teo amin’ny fiainany sy ny ankohonany avokoa izy ireo ka antony nahatonga azy ireo hifidy ny tetikasa fanamboarana saribao mikajy ny tontolo iainana”, hoy hatrany ny mpanolotsain’ny fikambanana Mahery, Ravololonirina Edmée. Nohamafisiny fa mbola malalaka ny tsena amin’ny famokarana arina fandrehitra mitsinjo ny tontolo iainana eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanentanana ny olona hiala tsikelikely amin’ny fampiasana ireo arina manimba ny tontolo iaianana, raha ny fanazavana hatrany.
Nanatontosa : Mino