Mitombo isa tsy tapaka ny tarika mihira. Tsy vitsy amin’izy ireny ny mamorona, fa maro ihany koa ny mamerina. Ireo mamorona, saika mirona any amin’ny gadona malaza sy mivelatra be maneran-tany, amin’izao vanim-potoana izao. Hira ampiasana ireo fitaovana raitra hoentina manova ny feon’ny mpihira. Mampiditra feon-javamaneno maro, sns.
Ireo mamerina kosa, saika mifaka amin’ireo hira taloha. Ny ankamaroany, miezaka mitazona ny namoronan’ny tompony azy. Tsy ireo heverina ho zoky raiamandreny ihany, anefa, no mirona any amin’ny famerenana ny hira taloha fa ny tanora indrindra ihany koa. Ho an’ny mpahay momba ny tantaran’ny mozika : «efa zotra mankany amin’ny fiverenana ifotony ny hira eto Madagasikara». Ho an’ny mpikarakara seho : «mahavelombolo anay ny fironan’ny tanora any amin’ny hira taloha, satria, mety hanokatra lalana sy tsena vaovao ho anay indray». Ho an’ireo mpankafy ny hira taloha : «izay vao hifanaraka amin’ny soatoavina malagasy, indray, ny hira kaloin’ny tanora ankehitriny».
HaRy Razafindrakoto