INDRAY MIJERY

Hisy ny fiofanana momba ny fampiasana sy fikirakirana ny  Mallette pédagogique  hafakely, miaraka amin’ny fikambanana Autisme Madagascar, any Moramanga. Natokana ho an’ny mpanabe, ray aman-dreny, talen-tsekoly, éducateurs spécialisés ny fanofanana. Haharitra roa andro, ny 9 sy 10 janoary ho avy izao, izany.

Nisitraka ny tambim-pikarakarana ny CEPE sy BEPC, taom-pianarana 2022-2023, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Vondrozo, ny faran’ny taona teo. Nahazo ny anjarany koa ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Amboasary Atsimo.

Mbola tokony hitandrina sy tsy hiandriaka mihitsy ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mahanoro hatrany Faux Cap sy Faux Cap hatrany Toliara, satria mbola hahery be ny ranomasina vokatry ny alondrano sy ny rivotra mafy aterak’ilay rivodoza Alvaro.

Mitohy miakatra ny reniranon’i Mangoky, ao amin’ny distrikan’IManja, ka tsy azo ampiasaina intsony ny baka lehibe hitaterana ao an-toerana. Efa mamonjy ny toerana avo koa ireo mponina eny amin’ny tanàna ambany, araka ny fampitam-baovaon’ny solontenan’ny radiom-pirenena any an-toerana.

Partager sur: