Kelimavitrika : jiolahy raindahiny, voatifitry ny zandary

Tapitra hatreo ny andron’i Domy na i Kelimavitrika, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby ao amin’ny faritra Anjiajia. Omaly vao maraina, nisy ny fifandonana tamin’ity dahalo ity, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambonara, fokontany Lagara, kaominina ambanivohitr’Anjiajia. Nan­dritra ny fisafoana miaraka nataon’ny zandary sy ny Tafika no nahatrarana ity malaso ity. Efa nifanenjehana hatry ny ela izy saingy tafaporitsaka hatrany ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izao, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary sy ny Tafika mpanao fisafoana fa misy andian-dahalo mikononkonona fanafihana mitam-piadiana ao amin’io tanàna io. Nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana ka nidina tao an-toerana ary voamarina tokoa ny fisian’ity dahalo ity. Nitsoaka avy hatrany izy, raikitra teo ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana. Tsy naharesy tosika ireo mpitandro filaminana anefa izy ka lavo avy hatrany. Efa nomena ny fianakaviany ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera sy ny zandary. Mitohy ny fanenjehana ireo dahalo tafapori­tsaka.

J.C

Partager sur: