Madagaslam : “Hitohy ny fanatrarana ny tanjona napetraka”

Maro ny fifaninanana Slam avo lenta sy lehibe amin’ity taona 2024 ity. Hisy ny atrikasa sy fiofanana maro samihafa.

Miisa telo ny hetsika lehibe miandry ny Madagaslam, amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’i Tajero, tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana mamondrona ny mpiangaly “Slam poèsie” eto Madaga­sikara ity. Voalohany, ny “Slam nationale 2024”, an­diany faha-15. Fifaninanana nasionaly, andraisan’ny Ma­lagasy mpiangaly “Slam poèsie”, avy amin’ny faritra maro samihafa anjara. Hiavaka kely ny fifaninanana amin’ity taona ity, noho ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny “Slam nationale”, araka ny fanazavany hatrany. Anisan’izany ny mety hanatanterahina ny he­tsika amin’ny toerana roa samy hafa, eto Antananarivo sy any Antsirabe. Hisy ny fa­nasana vahiny maro sami­hafa.

Mpianatra !
Fifaninanana lehibe karakarain’ny Madagaslam koa ny “Slam Nationale Scolaire”, andiany faharoa. Efa vita ny dingana voalohany amin’ity sokajy ity. Vinavinain’ny tomponandraikitra hatao ny volana jona na jolay ny dingana faharoa sy famaranana. Ireo ankizy mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany, avy amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny faritra maro, no handray anjara amin’ny fifaninanana.
Tafiditra ao anatin’ny he­tsiky ny Madagaslam koa ny “Coupe du Monde Slam”, atao any Paris, ny volana mey. Raha tsiahivina, Andriama­nantsoa Santatra na i Santa, tompondakan’i Madagasikara 2023, no hisolontena an’i Madagasikara.

Homena sehatra
Tanjona efa napetraky ny avy eo anivon’ny Madaga­slam, ny taona 2023, ny hanome lanja sy sehatra ny vehivavy. Tsy tratra anefa izany ka hotohizana amin’ity taona ity, araka ny nambaran’i Tajero. Ny hampisy vehivavy maro mandray anjara amin’ny fifaninana sy ny hahatafavoaka azy ireo ho tompondaka. Efa misy ny atrikasa sy fanofanana manokana ho an’ny vehivavy hanatrarana izany.

Lin

Partager sur: