Mitohy hatrany ny fitotonganan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny euro. Niainga 4 990 Ar izany tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra ho 5 010 Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisanda 4 990,67 Ar ny salanisa ofisialy, ho an’ny andron’ny 3 janoary 2024. Efa nahatratra 4 991, ny 28 desambra 2023 teo fa somary nidina kely.
Nanomboka ny novambra 2023 no tena nihen-danja ny Ariary, izany hoe niaka-bidy ny euro, ary nitombo tsikelikely ny desambra 2023, nanomboka ho 4 900 Ar.
Araka ny antontanisan’ny BFM ihany, tsy nihetsika, marin-toerana, manodidina ny 4 500 Ar ny 1 dolara. Tsiahivina fa ny dolara no ividianana amin’ny vola vahiny ny solika, iankinan’ny vidin-javatra sy ny vidim-piainana ankapobeny eto Madagasikara.
Fotoana ampiasana vola vahiny betsaka ny volana novambra sy desambra. Mitombo ny fanjifana noho ny fetin’ny faran’ny taona, miakatra ihany koa ny fanafarana entana avy any ivelany.
Mihena ny fanjifana mandritra ny telo volana voalohan’ny taona, indrindra mandritra ny volana janoary. Voakasik’izany ny eto an-toerana sy ny any ivelany. Mihena ny fanondranana izay tokony hampiditra vola vahiny, andaniny. Mihena koa ny fanafarana izay ilana devizy, ankilany.
Njaka A.