Mavesatra ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Nisy dimy ny aina nafoy ary nitombo ho 16 290 ireo tra-boina. Faritra dimy no voakasiky ny takaitra teo amin’ny faharavana fotodrafitrasa maro.
Dimy no maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Iray tao amin’ny distrikan’i Beroroha ary telo hafa tao amin’ny distrikan’i Manakara ary iray avy any Vohipeno, araka ny vaovao avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), omaly. Tsy nisy ny tsy hita popoka hatramin’ny omaly. 16 290 ny tra-boina, avy amin’ny tokantrano 1 961. 8327 ireo nafindra toerana, avy amin’ny tokantrano 135, amin’ny toeram-pandraisana 10. 4005 ny trano dibo-drano, ary 400 simba amin’ny ampahany, raha 86 rava tanteraka. 51 ny efitrano fianarana tsy manana tafo intsony fa lasan’ny rivotra, efatra kosa nahitana fahasimbana, 200 ha ny tanimbary feno rano tanteraka.
Tany amin’ny 324 km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Farafangana no nisy ny foiben’ilay andro ratsy Alvaro, omaly. Tombanana ho 80 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra mitsitokotoko 110 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Manohy ny diany mianatsimo somary atsimo andrefana izy amin’ ny hafainganam-pandeha 25 km isan’ora. Foana avokoa ny filazana mahakasika ny habetsahan’ny rotsakorana, araka ny voalazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro hatrany.
Mbola hahery ny alondrano
Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy, noho ny alondrano aterak’ilay andro ratsy Alvaro. Hahery ny ranomasina ka hahatratra 4m ny haavony indraindray, any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana, ka ahina ny loza. Nanomboka omaly ary hitohy anio ny filazana. Ho sarotra ny fifamoivoizan ary ahina ny faharendrehana an-dranomasina. Mety ho tondraka ireo faritra iva amin’iny morontsiraka iny.Nahazo fampitandremana miloko mena, noho izany, ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany ary Vatovavy.
Vonjy A.