TARATRY ny KANTO

« Stand Up Comedy ». Tontosa omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampisehoana nokarakarain’ny fikambanana mpanao hatsikana maro, niarahana tamin’ny DACVC. “Open mic, without mic” no lohatenin’ny hetsika. Ny karazana ha­tsikana Stand-Up no tena nasongadina tao anatin’
izany.

Manomboka miverina tsikelikely eo amin’ny sehatry ny mozika i Teddy Prezeau, amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, anisan’ny nahafantarana azy ny fampiaraham-peo amina mpahay kanto mpihira. Teo ihany koa ny fihirana hira malagasy malaza.

“L’Art c’est de l’Ame”. Mikarakara atrikasa maro mahakasika ny fanaovana sary samihafa sy ny haikanto plastika ny eny amin’ny Maison sociale des Arts Ambatovinaky, manomboka amin’ity taona ity. Hahazo tombony manokana ny mpankafy sarimiaina “Manga”, noho ny fisian’ny atrikasa manokana fanaovana ny sarin’ny mpilalao amin’ireny.

Tafiditra laharana fahatelo, nandritra ny fifaninanana “Afro Pépites Show”, andiany faha-13, Rakotomalala Maherisoa, Malagasy mpanao haikanto plastika. Tamin’ny alalan’ny asa tanany, “Digital painting”, no nahazoany izany. Nandritra ity fifaninanana ity, nahatratra 158 ny mpanao asa tanana nandray anjara.

Partager sur: