Tsy mifidy hangalarina: jiolahy tratra nangalatra jiro mirehidrehitra

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, teny Ampefiloha, afakomaly, ireo jiolahy roa. Tratra teo am-pangalarana jiro mirehidrehitra nandravahana ny lalana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao ry zalahy ireto. Manao ny asa fanaony toy ny mahazatra amin’ny alalan’ny fisafoana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny mpitandro filaminana tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, teny amin’ny faritra ANS Ampefiloha, manoloana ny hotely iray no nahatsikaritra lehilahy roa teo amin’ny andrin-jiro iray lehibe ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka nanatona avy hatrany ny polisy. Tsikaritra tamin’izany fa nanala sy nanongotra ireo jiro, haingo napetraka handravahana ny lalana ireto jiolahy ireto. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka tsy afa-nihetsika intsony izy roa lahy. Nentina nihazo ny biraon’ny CSP4 izy ireo hanaovana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana. Efa mpangalatra ireny jiro mandravaka ny lalana rehefa vanim-potoana ny fety ireny ry zalahy ireto, saingy izao vao tratra.

J.C

Partager sur: