Nihantona tamina taribin-jiro, zazalahy 10 taona maty tsy tra-drano tao Feramanga avaratra, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly tolakandro. Andrin-jiro efa lavo amin-tany no nitera-doza. Nianjera efa ho efa-taona lasa, tsy mbola nisy fanarenana natao azy. Nitondra herinaratra mihazo ny orinasa lehibe iray tsy mihodina intsony ao an-toerana ilay andrin-jiro. Efa tsy nisy herinaratra an-taonany maro ny tariby. Nisy nanapika indray ny mpamatsy herinaratra ka nampiverina izany.
Tetsy ankilany, tsy nanampo fa varian-dalao ireo zaza. Nahakasika ny tendan’ilay zazalahy 10 taona ny tariby. Niraikitra avy hatrany izy. Niezaka nanala azy ny olon-tsotra nandalo. Voatery niala satria may ihany koa. Niala maina tamin’ny famonjena, hany ka namoy ny ainy noho ny fahamaizana ilay zaza. Nieren-doza kosa ny mpiara-milalao taminy.
Mikaroka ny tompon’antoka tamin’ny famerenana ilay “interrupteur” ny mpitandro filaminana ao an-toerana, amin’izao fotoana izao. “Tsy fantatra mazava na fanahy iniana na tsy nahy no nahatonga ity famerenana tampoka ny herinaratra ity. Ny fanadihadiana no hamoaka ny marina”, hoy ny mpanao famotorana.
Marihina fa ilaina hatrany ny fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreny ny zaza hisorohana ny tranga mahonena toy izao.
Tsiferana R.