Andriamanantsoa Santatra: « Afaka miaraka ny haikanto sy ny fianarana »

Andriamanantsoa Santa­tra, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny Slam malagasy amin’ny anarana hoe Santa. Ny taona 2014, nanomboka niditra teo amin’ny fanaovana “Slam poèsie” ny tenany, tany Antsirabe. Ny manodidina azy no nandresy lahatra sy nanosika azy hiroso amin’ny matihanina kokoa. Tafakatra teo amin’ny vovonan’ny Slam malagasy izy, ny taona 2023, ary hisolotena antsika any amin’ny “Coupe du monde de Slam poèsie” atao any Fran­tsa, ny volana Mey 2024.

Mpiangaly Slam tia miresaka mahakasika ny fifandraisan’ny fianakaviana malagasy, izay ahitana tsy fetezana maro i Santa. “Raha ny hevitro dia lavitra loatra izy ireo ary tsy feno loatra. Ny tena akaiky ny foko dia ny mizara vina sy ny hoe ny ray aman-dreny no naman’ny zanany, ary tsy ho lasa fahefana hatahorana fa tena fianakaviana”, hoy i San­ta. Mbola mpianatra izy amin’izao ary mandalina manokana momba ny fitsaboana, eny amin’ny oniversiten’Antana­narivo. Araka ny nambarany, mifameno sy afaka miaraka tanteraka ny haikanto sy ny fianarana.

Lin

Partager sur: