Araka ny fikarohana natao omaly, maro ireo lalao iraisam-pirenena miandry ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Ankoatra ny lalao ara-pirahalahiana izay hataon’izy ireo ny volana marsa ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana “Mondial” izy ireo ny 3 hatramin’ny 11 jona 2024. Manomboka ny volana septambra ho avy izao, handray anjara amin’ny fiadiana ny ady tapakila hiatrehana ny fifanintsanana “Can Maroc 2025”, ny Barea.
Ny 2-10 septambra 2024, hanaovana ny andro voalohany sy ny faharoa amin’izany. Hotontosaina ny 7-15 oktobra, ny andro fahatelo sy ny fahefatra. Hatao ny 11-19 novambra ny fahadimy sy ny fahenina.
Tsiahivina fa ny Can 2019, izay natao tany Egypte, nandraisan’i Madagasikara anjara farany tamin’ity fifaninanana afrikanina ity. Marihina fa ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), manana fanamby goavana ny handraisan’ny Barea de Madagascar anjara amin’ny “Mondial Etats – Unis 2026” sy ny “Can 2025”. Tsara ny mampahatsiahy fa Rakotondrabe Romuald Félix na Coach Rôrô no mpanazatra ny ekipa nasionaly malagasy.
Fitia Randria