fambolen-kazo : ireo dingana tsy maintsy arahina

Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka izao. Mamokatra zana-kazo, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), manerana ny Nosy. Azo alaina maimaimpoana izy ireny, saingy misy ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy arahina, satria tanjona ny hampahomby ny fambolena azy.
Manao taratasy fangatahana ny mpamboly, herinandro mialohan’ny fotoana tena hambolena. Hita ao ny toerana hambolena sy ny isa ary ny karazan’ny zanakazo ilaina. Mitsirika ny toerana ny teknisian’ny Dredd, manamarina sady mijery ny lavaka.
Tsy maintsy homanina mialoha ny lavaka, mirefy 40 sm x 40 sm x 40 sm. Atao mielanelana 2 metatra raha hazo zanatany, ary 4 metatra raha hazo vahiny.
Misy koa ny fepetra arahina mandritra ny fotoana hambolena ny zana-kazo, toy ny fanalana ny kitapon-janakazo, ny fanatsatohana azy anaty lavaka sy ny fanotofana tany. Samy hafa ny fambolena amin’ny tany be orana sy ny faritra maina. Ilaina ny fanaovana aro afo, mirefy 4 metatra ny sakany. Diovina isan-taona ny 1 metatra manodidina ny za­nakazo, esorina ny ahidratsy ary sosohana ny tsy maniry.

Njaka A.

Partager sur: