Fitaterana: nihena 144 ny fiara miala eto an-drenivohitra mampitohy ny faritra

Anisan’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha mi­vezivezy eto an-drenivohitra mankany amin’ny faritra ny vanim-po­toan’ny fety. Nahi­tam-pihenana kosa izany, amin’izao fotoana izao.

Tamin’ny fotoana talohan’ny fetin’ny Krismasy, nanomboka ny 22 de­sambra lasa teo. Anisan’ny be mpandeha indrindra ny lalam-pirenena fahefatra mankany amin’ny faritr’i Betsiboka sy Boeny. Mahatratra hatrany amin’ny 84 ny isan’ny fiara miala eto Antananarivo mankany amin’iny faritra iny. Raha toa ka 80 kosa ho an’ny lalam-pirenena faharoa. 50 kosa izany ho an’ny lalam-pirenena fahafito. Nanomboka ny 28 desambra no mankaty. Manodidina ny 218 ireo fiara niala teto an-toerana mampitohy ireo faritra ireo. Nihena hatramin’ny 144 kosa izany amin’izao fotoana izao, raha ho an’ny fitaterana etsy amin’ny Gara routiere Andohata­penaka manokana. “Nandritra ny fankalazana ny fety, betsaka ireo olona miala eto Antananarivo manao fety any amin’ny faritra ka antony mahatonga izany”, hoy ny mpitantana ny tobim-piantsonana eny an-toerana, Ranaivoson Fidy.

Miteraka fatiantoka
ny andro fety
Ny zavatra tsapa rehefa amin’ny fotoana ankatoky ny fety. Betsaka ary mitombo be ireo olona mandeha mankany any amin’ny faritra. “Vitsy kosa ny miakatra manoloana izany ary miteraka fatiantoka sy olana eo amin’ny mpitatitra izany”, hoy hatrany izy. Miteraka fiakaran’ny vola mivoaka eo amin’ny mpamily mijanona miandry mpandeha miakatra ihany koa izany. nilaza izy fa tsy manana trano any, tsy misy fianakaviana hipetrahana any ny mpamily ka lasa mampitombo ny vola mivoaka eo aminy izany. Ankoatra izay, nohamafisiny fa aleo miasa amin’ny fotoana andavanandro toy izay miasa amin’ny fety. Miteraka fatiantoka eo amin’ny mpitatitra izany, noho ny tsy fisian’ny mpandeha miverina.

Zakan’ny rehetra ny saran-dalana
Mbola zakan’ny mpandeha tsara ny saran-dalana hatramin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Nilaza ny tomponandraikitra fa tsy tokony ho io ny saran-dalana raha ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’izao. Ny fitsinjovana ny mpandeha no antony mahatonga izany. Ankoatra izay, alohan’ny hiangain’ny fiara mpitatitra iray, tsy maintsy misy ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra maro samihafa. Ho fiarovana sy fitandroana ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana. Entanina hatrany ny mpamily hanao ny “caravane”, indrindra ho an’ireo mpandeha amin’ny alina. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana. Ma­hatratra eo amin’ny 4 na 6 ny fiara manao “caravane” rehefa amin’ny andro alina.

Mahatratra 15 ora ny faharetan’ny lalana

Olana iraisan’ny mpitatitra rehetra manerana ny Nosy ny faharatsian-dalana. Indrindra ny any amin’ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 ary faha-2. Ho an’ny lalam-pirenena fahenina manokana, ahitana fahatapahan-dalana eo Ambondro­mamy. Miteraka olana eo amin’ny fitaterana ihany koa izany. Anisan’izany ny fahalavan’ny faharetan’ny lalana ataon’ny fiara iray. Raha ho an’ny lalam-pirenena faharoa manokana. Manodidina eo amin’ny adiny sivy eo ny lalana mankany teo aloha. “Efa mahatratra hatramin’ny 11 hatramin’ny 13 ora kosa izany ankehitriny, noho ny fahasimban’ny lalana”, hoy hatrany Ranaivoson Fidy, tomponandraikitra sy mpitantana ny tombim-piantsonana Andohatapenaka..
Hialana amin’ny lozam-pifamoivoizana mitranga eny an-dalana. Entanina hatrany ny mpamily mba hitandrina. Indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao. Nohamafisiny fa tompon’andraikitra 80 % amin’ny zavatra rehetra mitranga eny an-dalana izy ireny. Tafiditra ao anatin’izany, ny lalana sy ny mekanika rehetra. Zavatra tsy tokony hataon’ny mpamily ny mandray zava-pisotro misy alikaola eo am-pitondrana fiara. Eo ihany koa ny tsy fanaovana fisongonana mampidi-doza. Tsy tokony hataon’ny mpamily ihany koa ny fanehoana ny tanjaky ny fiara eny amin’ny lalana hifamezivezen’ny daholobe. Eo ihany koa ny filalaovana finday sy ny fandefasana radio maneno mafy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: