Niakatra ny vidin’ny sakafo iray lovia eny amin’ny toeram-pisakafoana eto Antananarivo, nanomboka ny 2 janoary lasa teo. Tsy maintsy nanondrotra ny vidin-tsakafo izahay satria nitombo avokoa ny vidin’ny hena sy ny vary ary ny legioma sy anana, hoy ireo mpivarotra. Misy ny nampihena ny fatran’ny sakafo atolotra ny mpanjifa fa tsy nampiakatra ny vidiny ho fitsinjovana azy ireo. 500 Ar hatramin’ny 2 000 Ar ny sondro-bidy ho an’ny vary sy laoka iray lovia. 500 Ar ny lasary ary 2 000 Ar ny voankazo vita voatra anaty fitoerany.
3 500 Ar ny kilaon’ny vary vokatra eto an-toerana ary 2 800 Ar ny vary nafarana avy any ivelany. Tsy vitsy ireo manafangaro ny karazam-bary roa rehefa mahandro. Ny henan-kisoa, 22 000 Ar ny kg ary 20 000 Ar ny henan’omby tsy mifangaro.
Tsy ireo mpanao “gargotte” ihany no nampiakatra ny vidin-tsakafo fa ny mpivarotra mofo sy kafe ary dite ihany koa. 5 000 Ar ny vidin’ny siramamy iray kg, 11 000 Ar ny menaka iray tavoahangy vita amin’ny “tournesol” ary 9 600 Ar ny menaka azo avy amin’ny soja, raha tsy misy tavoahangy.
Nihenabe ny tombombarotra azo nanomboka ny volana desambra teo, vokatry ny sondro-bidy nefa fivelomana tsy azo avela ny fampisakafoana olona satria marobe ireo mpianatra sy mpiasa tsy mody atoandro fa manantena sakafo masaka eo amin’izy ireo.
Vonjy A.