Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza. Anisan’ny nodinihina, nandritra izany, ny mahakasika ny « fanahy ao amin’ny kalo fahiny sy ny hiran’ny omaly ».
Lohahevitra nentin-dRanaivoson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Imerina. Hamaritana ny kalon’ny fahiny ireo hira natao tao anaty teatra. Misy hifandraisany amin’ny tantara ny tononkira sy ny fizarana misy ao amin’ny tantara izany. Tsy natao tao anaty teatra kosa ny hiran’ny omaly. Anisan’ny hitovizan’izy ireo ny fisian’ny aingam-panahy, ny fomba fihira, ny fihetsempo, ny fihetsika, ny angola ary ny beso ireo. Izay fanahy ao anatin’ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, manasongadina sy manome lanja ny kalon’ny fahiny kosa ny feo faharoa sy ny beso, ary ny rodobe. Izay matetika mamarana ny tantara an-tsehatra. Ny fanahy dia vokatry ny fo sy ny saina izay mampihetsika ny fo. Misy ny fahendrena avoakan’ny tononkira ao amin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. “Zava-dehibe ny fihainoana ny hira ankehitriny, ilaina ihany koa anefa ny fihainoana ny hira fahiny satria manana ny toerany eo amin’ny kolontsaina izy ireny”, hoy Ranaivoson Lucien, avy ao amin’ny feon’Imerina.
Mbola mijoro ary tsy ho lefy laza ny fankafizan’ny olona izany
Mateza sy mijoro ary tsy mbola lefy laza ny fankafizan’ny olony ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly hatramin’izao fotoana izao. Anisan’ny mampivelatra sy manome sehatra azy ireny, ny fisian’ny fitaovan-tserasera maro isan-karazany. “Tsy ho lefy laza mihitsy ireny hira na amin’ny taona 2050 izao aza fa mbola karohan’ny olona foana”, hoy izy. “Ny fahaizan’ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira ary ny hakanton’ny mpihira azy ihany ny tsiambaratelo mitazona izany”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa samy manana ny hirany ny mpanakanto amin’izao fotoana izao. Fa anisan’ny mamelona izany, ireo mpanakanto indrindra rehefa amin’ny fotoan’ny “cabaret”.
Mino