Lehiben’ny governemanta faharoa anisan’ny ela indrindra taorian’ny nahazoana Fahaleovantena ny praiminisitra Ntsay Christian. Feno 6 taona amin’ny 4 jona 2024 izao no nisahanany izany toerana izany, raha efa ny 4 jona 2018 no nanendrena azy taorian’ny hetsiky ny depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny taona 2018. Lehiben’ ny governemantan’ny marimaritra iraisana nanatanteraka ny fifidianana ny taona 2018 ny tenany. Impito niova kosa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta notarihiny, nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao.
Tsiahivina fa anisan’ny naharitra ela indrindra teo amin’ny toeran’ny lehiben’ny governemanta ny praiminisitra, Rakotoarijaona Desiré, fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka. Nanomboka ny 1 aogositra 1977 ka hatramin’ny 12 febroary 1988 izany. Izany hoe, 10 taona sy enim-bolana teo amin’izany andraikitra izany.
Efa nitana andraikitra maro
63 taona i Ntsay Christian. Nianatra sy nandalina momba ny fitantanam-bola sy ny toekarena ary ny banky tany Frantsa. Efa niasa teo anivon’ny Pnud sy ny Vondrona Eoropeanina (UE). Efa tale ara-bola teo anivon’ny orinasa Secren. Minisitry ny Fizahantany (2002-2003) fony fitondrana Ravalomanana Marc. Solontenan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), misahana ny nosy Kaomoro sy i Madagasikara avy eo (2008-2018).
Synèse R.