Maneno ny kiririoka

 

Nivoaka izy io ! Tsy niandry izay faran’ny herinandro, araka ny nambara ombieny ombieny. Tafapetraka ny lehiben’ny governemanta izay kapiten’ny ekipa mpanatanteraka miara-misalahy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny mpilalao hiakatra kianja, hanatevin-daharana azy ireo. Manomboka ny fifantenana na efa heno mialoha aza ny fisian’ny lisitra natolotry ny mpanohana isan-tsokajiny. Efa mazava ny fepetra, tsy maintsy olom-pirenena resy lahatra fa hiaro ny voninahi-pirenena izy ireo. Zatra ady sy mahasahy mametraka fanamby. Olona tsy mivaona amin’ny rindran-dalao sy ny fitsipika apetraky ny mpanazatra. Tsy hanao volo manoha randrana amin’ny torimariky ny kapiteny.
Lalao goavana, mila faharetam-pery mandritra ny dimy taona no tanjona. Tsy misy ekipa miakatra kianja ka hihevitra ny hitsoaka an-daharana na tsy hahatapitra ny fe-potoana ara-dalàna. Revirevin’ny mpifanandrina izany. Fandemen-tsaina hanimba ny moralin’ny mpilalao. Sahy mijoro sy tsy milavo-lefona, ary manamafy ny firaisan-kina eny ambony kianja.
Tokana ny tanjona, ny fandresena sy ny fandrombahana ny amboara. Ho tsaraina amin’ny zava-bita ny ekipa iray manontolo. Na inona na inona paikady apetraka, raha vao misy ny tsy manaraka toromarika ka mirona amin’ny tsy fahaiza-mitantana, dia sempotsepotra ihany. Midika izany, fa miankina amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny fanendreny izay hiara-hiasa aminy ny filalaovana ny baolina.
“Madagasikara tsy maintsy mandroso”, teny filamatra mitaky andraikitra goavana sy fametrahana fanamby ambony dia ambony. Inoana fa tsy ho kobaka am-bava akory, fa ho arahina asa hipaka amin’ny fiainam-bahoaka. Efa naneno anefa io ny kiririoka, tsy misy afaka ny miverin-dalana… mila fifanomezan-tanana.

r.r

Partager sur: