Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Mangarano Toamasina, ny 3 janoary 2024 teo, ny jiolahy efatra tompon’antoka tamina fandikan-dalàna samihafa. Ny roa lahy amin’izy ireo tratra teo am-pangalarana cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana halatra ataon’ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony ny polisy ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. Ny roa lahy hafa kosa nanao herisetra sy hetraketraka tao an-tokantrano. Nentina nanaovana fanadihadiana ireo jiolahy. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana.
J.C