Niarahaba ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,amin’izao taona vaovao izao, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Hentitra ny toromarika avy amin’ny minisitra tamin’izany.
Nambarany fa ny adidy sy andraikitra mitohy hatrany na niova aza ny taona. “Hohamafisina ireo ezaka rehetra efa natao. Maro ny asa mbola miandry”, hoy izy. Anisan’izany ny fanatevenana sy ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoky. Horaisina avokoa ny fepetra rehetra mifandraika amin’izany ho fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. Hohamafisina, tahaka izay, ihany koa ny fametrahana hatrany ny fanjakana tsara tantana. “Tsy azo ihodivirana ny hampiasaina ny teknokojia vaovao amin’ny fampiharana izany”, hoy ihany izy.
Nitondra ny teny firariantsoa nialoha izany kosa ny filoha voalohany eo anivon’ny fitsarana tampony “PPCS”, Rakotonavalona Ranary Robertson. Notanisainy tamin’izany ireo asa vita tamin’ny taon-dasa. Nisongadina ny fanavaozana natao tamin’ny tontolon’ny fitsarana sy ny fitantanana ny eny anivon’ny fonja, niainga tamin’ny soridalana nofaritana hitantanana ny minisitera, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa anisan’ny raharaha vao tsy ela, andrasan’ny maro eo anivon’ny fitsarana ny momba ilay vary simba nokasaina hamidy ka nahavoasaringotra mpitantana ambony any Boeny. Nilaza ny tsy handefitra manoloana izany ny minisiteran’ny Fitsarana.
Synèse R.