Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »

Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Ba­ra ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mam­piseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. To­hin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity ka sady hampahafantarana no hanehoana ny tantara sy ny kolontsaina avy any amin’ireto foko ireto.
Ny mahakasika ny tolona sy ny mpiangaly izany indray no haseho eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, nanomboka omaly. Anisan’ny kilalao sy kolontsaina nisongadina teto Mada­gasikara ny tolona, nandritra sy talohan’ ny vanim-potoana faha mpanjaka. Tovolahy roa no mifanandrina ampahibemaso mba hanehoany ny tanjany ara-batana. Maro ny tanjona ao anatin’izany, toy ny fitaomana olon-tiana. Fana­porofoan’ilay mpitolona fa mahavita miaro ny fianakaviany sy ny fananany izy. Fo­toana hiarovana ny hambompo sy ny voninahitry ny taranaka ihany koa.
Manerana ny Nosy ny fanaovana tolona. Samy na­nana ny fiantsoany azy ny isaky ny foko. “Ringa” no anarany any amin’ny faritra Bara, “Doranga” kosa ho an’ny Vezo. Mbola maro ny milalao azy ankehitriny saingy tsy tafapetraka amin’ny maha izy azy taloha intsony.

Lin

Partager sur: