Misedra olana ara-pahasalamana ilay ankizivavy niharan’ny fanolanana tao Antsampanana Brickaville. Nianjadian’ny herisetra ara-nofo nataon’ny fianakaviany izy ny volana septambra 2023 lasa teo. Narary mafy izy vokatry ny fanolanana ka voatery nanaraka fitsaboana. Nentin’ny fianakaviany nihazo an’i Toamasina. Nataon’ny mpitsabo fizahana. Voa mafy ary nisy potika hatramin’ny taova tao anatin’ilay ankizivavy. Voakasik’izany, ny fahapotehan’ny tranon-jaza, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Voatery niroso tamin’ny fandidiana ny mpitsabo ao an-toerana. Nihena tanteraka ny vatan’ilay ankizivavy ka manohy ny fitsaboana azy ao amin’ny hopitaly be Toamasina ny fikambanana tsy miankina iray.
Efa notanana am-ponja ao Ambalatavoahangy, ilay lehilahy nahavanon-doza. Marihina fa zanaky ny rain’ilay ankizivavy tamin’ny olon-kafa tany ivelan’ny tokantrano ity nanolana ilay ankizivavy 11 taona ity.
Tsiferana R.