Noho ny teknolojia: Sarona tanteraka ny kanto

Feo mibarareoka, ahitsy amin’ny fitaovana. Fitendrena zavamaneno tsy mandeha amin’izay hozany, fenoina amin’ny fitaovana… Mbola ny tontolon’ny hira ihany ireo. Misy ny sary sokitra, ny asa tanana, sns. Mandroso be ny teknolojia ka afaka mifehy zavatra maro ny olon-drehetra. Izany hoe, na tsy mifanitsy amin’ny talentan’ny tsirairay aza ny kanto ataony, vitany ihany satria fitaovana avo lenta no ampiasaina.
Amin’izao vanim-potoana izao, ny fahaiza-mamolaka ny fitaovana hoenti-manorina na mamboatra vokatra na zavatra kanto no lasa laharam-pahamehana. Hadino, na ratsy fipetraka ny aingam-panahy hoenti-mamorona sy ny talenta ahafahana manatanteraka. Ireo anefa no tena takin’ny zavakanto voalohany.
Ny tranga tahaka io no anisan’ny mahatonga ny hasin’ny zavakanto saika maneran-tany tsy mitsaha-mijotso. Manomboka takona tsikelikely ilay fahatsapana fa nisy talenta sy aingam-panahy tao ambadiky ny asa iray. Tsara ny mahafehy ny teknolojia, saingy, tsy tokony hatao hanarona ny maha kanto ny zavakanto izy ireny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: