SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’Arivonimamo, ny lalao famaranan’ny “Coupe de la ligue” ho an’ny faritr’Itasy, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny RCI Arivonimamo sy ny Jamaica JFC Analavory, hiady ny amboara amin’izany.

Hatramin’izao, tsy mbola misy Malagasy atleta efa tafita hiatrika ny fifaninanana “lalao Olympika JO 2024”, izay hatao any Paris. Araka izany, hiady io tapakila io, Rasoanaivo Laura, judoka, Randafiarison Rosina sy Andriatsitohaina Tojo, halterophiles, i Fabio sy Antoine, amin’ny taranja “ping-pong”.

Notanterahina nanomboka ny alarobia lasa teo ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra “La Liga”. Anisan’ireo lalao tena nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ny Atletico Madrid sy ny Girona. Lavon’ny Girona tamin’ny isa 4 no ho 3 ny Atletico. Mbola mipetraka eo amin’ny laharana faharoa, araka izany, ny Girona.

Norombahin’ny ekipan’ny Paris Saint Germain FC (PSG), ny amboaran’ny « Trophée des Champions France”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny klioban’ny Toulouse FC. Nahatafiditra baolina, tamin’izany, i Lee Kang sy i Kylian Mbappé. Marihina fa ity izany no amboara voalohany azon’i Luis Enrique, mpanazatra PSG, tamin’ity taom-pilalaovana ity.

Partager sur: