Hotanterahina any Dakar Sénegal, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “lalao olympika JO”, Paris 2024, taranja Taekwondo. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy mpikatroka taekwondo eto an-toerana. Hisy ny lalao fifantenana “match test” amin’ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Centre de formation et d’application du machinisme agricole (CFAMA), Nanisana.
Raha ny fanazavana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo, afaka mandray anjara avokoa ireo mpikatroka rehetra. Tsy maintsy mahafeno ny fepetra tsara kosa izy ireo. Anisan’izany ny traikefa sy ny vokatra tsara azo na “palmarès”. Marihina fa ny sokajy -55 kg, -68 kg, -80 kg, +80 kg no hanaovana fitsapana ho an’ny lehilahy. Ny sokajy -49 kg, -57 kg, -67 kg, +67 kg, ny an’ny vehivavy amin’izany. Haharitra adiny valo eo ity lalao fitsapana ity.
Tsiahivina fa tsy tafita tamin’ny lalao olympika, natao tany Londres, Rabeniala Fenosoa Rija, Malagasy mpikatroka. Natao tany Egypte, ny taona 2012 ny lalao fifanitsanana.
Fitia Randria