Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina

Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe.

Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Ma­nakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 837 ny isan’ny tra-boina avy amin’ny tokantrano 5 900. Mahatratra 9 528 ny olona nafindra toerana (tokantrano 2003) eny amin’ny toeram-pandraisana iraisana 36.
4 943 ny trano dibo-drano, 426 simba ary 241 rava tanteraka. 59 ny efitrano fianarana tsy misy tafo intsony, efatra simba amin’ny ampahany. 3120 ha ny tanimbary dibo-drano ary 3 ha tototry ny fasika. Manohy ny diany mianatsimo amin’ny ankapobeny i Alvaro ato anatin’ny roa andro, somary haingana ny fikisahany amin’ny hafainganam-pandeha 25km isan’ora. Tsy misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony izy.

Dibo-drano avokoa ny voly ao Morombe
Ny tanimbary fiharian’ny mponina ao Morombe no lasibatry ny ranobe navelan’ilay rivodoza Alvaro. Ho an’ny distrikan’i Morombe, toerana nidiran’ilay rivodoza, ny voly mihitsy no dibo-drano. Ankoatra izay, simba ny 60 % amin’ny fotodrafitrasa, ahitana ny bi­raom-panjakana sy ny tranon’olon-tsotra. Fianakaviana 60, ahitana olona 365, no traboina ao an-toerana .
Nisy ny sidina manokana niarahan’ny Fandaharana­san’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andria­kaja. Nijery akaiky ny fahavoazana izy ireo, nanaovana tombana miaraka ny fahasimbana any Morombe.
Nidina ifotony avy hatrany nijery ny fahavoazana ny delegasiona ary nitafa mivantana tamin’ireo tra-boina.
Nanolotra fanampiana ho an’ny mponina, nahitana vary 1 t, menaka 100 l, lay misy odimoka. Nizara biscuit misy otrikaina ny PAM. Efa tonga ao Morombe koa ireo moto pom­pe fanampin’ireo izay efa am­piasaina. Nanomboka oma­­ly ny fandiovana ny tanàna, hatao mandritra ny hadimiana, ka ny BNGRC ihany no handray an-tanana ny lany amin’izany.

Vonjy A.

Partager sur: