Niakatra ny saran’ny fikarakarana antontan-taratasy sy ny fiara mpitatitra eny anivon’ny Fitantanana foibe ny fiarovana ny fifamoivoizana (DGSR), nanomboka ny janoary 2024 teo. Hanao fivoriambe ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) amin’ny talata 9 janoary izao, ka anisan’ny lahadinika ny hampiakarana ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be eto Antananarivo Renivohitra. Soso-kevitra ihany io, fa ny fivoriambe no hanapaka azy na tsia, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa efa nikasa hampiakatra an’io ho 800 Ar ny mpitatitra tamin’ny aogositra 2023, saingy tsy tanteraka. Valintenin’ny fanjakana ny hiandrasana ny fahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena, ka izao niverina ny fikasany izao indray ny mpitatitra, raha vao nigadona ny janoary 2023.
Fotoan-tsarotra ho an’ny isan-tokantrano izao fiandohan’ny janoary izao. Lafo ny vidin-tsakafo, indrindra ny vary satria maitsoahitra. Mihena ny fanjifana, satria kely ny fidirambolan’ny tsirairay.
Njaka A.