Tontolon’ny soratra: hanamarika ny faha-35 taona nijoroany ny Faribolana Sandratra

Taona 1989-2024. 35 taona katroka ny Faribolana Sandratra. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa homarihina amina hetsika maro. Hopo­rofoin’ny mpiraifaribolana fa nahavita sy mahavita ary hahavita mampandroso ny literatiora malagasy ny fikambanana misy azy ireo.

Feno 35 taona amin’ny alakamisy 11 janoary 2024 izao ny niorenan’ny Faribolana Sandratra ara-panjakana, araka ny laharana fanomezan-dalana ofisialy, Récépissé n°90/94 FAR/ANT/AT/ASS A.R n°89/015 du 11/01/1989. Hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika izany fotoan-dehibe izany. “Sandra-kalo…Zara fanahy”, teny filamatra entina manamarika io vanim-potoana io.
Hetsika fanombohana sady lanonam-panokafana rahateo, hatao ao amin’ny Tranombokim-pirenena, ny alakamisy 11 Janoary 2024, amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hanasana ireo mpisehatra eo amin’ny literatiora sy haisoratra isan-karazany ary ny mpanao gazety. Harahina velakevitra sy fampahafantarana ny tantaran’ny Faribolana Sandratra ataon’ireo mpanorina ny fikambanana toa an-dry Jean Nalisoa Ravalitera, Ranöe, Niry Solosoa, Ilay, Rakotonirina Gérard.
Ankoatra ny lanonam-panokafana, hisy ny fanamarihana ny jobily mandritra ny taona. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpikambana mendrika. Fanaovana boky iraisan’ny mpiray faribolana. Fampirantiana sy ny seho samihafa hotontosaina eto Antananarivo sy any amin’ireo sampana manerana ny Nosy.

Misandratra sy mivelatra

Antom-pisian’ny Faribolana Sandratra ny fanandratana ny literatiora malagasy sy ny zavakanto vita amin’ny teny. Raha niisa 9 ireo mpanorina ity fikambanana ity tany am-piandohana (Jean Nalisoa Ravalitera, Ranöe, Niry Solosoa, Ilay, Rakotonirina Gérard. Miampy an’i Lydiary, Solofo José ary Elie Rajaonarison, A.R. Ni izay samy efa nodimandry). Ankehitriny kosa, mahatratra 400 mahery no isan’ireo mpikambana manerana ny Nosy.
Boky iraisana sy seho aman-jatony no tontosa, ankoatra ny velakevitra sy fitetezana sekoly hatramin’ny niorenan’ny Faribolana Sandratra hanandratana ny teny Malagasy sy ny fampandrosoana ny firenena.
Mamokatra Gazety literera miahy tena “Ambioka” koa ny Faribolana Sandratra izay natao ho an’ny mpianatra sy ny mpankafy haisoratra rehetra, nanomboka ny taona 2007.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: