TSELATRA

Lehilahy iray hitan’ny fokonolona nitsirara tsy nisy aina intsony teny Ankaditany Ampitatafika, omaly vao mangiran-dratsy. Tsy fantatra mazava ny anton’ny nahafaty azy. Nizaha ny razana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary nosokafana ny fanadihadiana momba io tranga io.

Nifampisokirina tao anaty honahona ny fatin-dehilahy iray tao Antsahatsiresy-Ankorondrano, omaly maraina. Olona sendra nandalo nahatsikarika ny fisiana zavatra hafahafa ka niantso ny manodidina. Lehilahy efa namoy ny ainy no tavela tao anaty rano. Tonga teny an-toerana ny tomponandraikitra nanao ny fizahana ny razana.

Taksibrosy mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga tra-doza teo amin’ny lalam-pirenena fahenina teo Ambananomby, Tsangambato-Mam­pikony, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nifatratra tamin’ny lavaka ny kodiaran’ny fiara ka nitarika ny fivadihana. Tsy nisy aina nafoy.

Jiolahy mpamaky trano tratra teo am-pihanihana tamboho tao Anjanahary II, ny alahady 31 desambra teo, tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olona tao amin’ilay tanàna io olon-dratsy io. Niantso mpitandro filaminana ny nanatri-maso noraisim-potsiny ity farany.

Partager sur: