Voatendry ny praiminisitra : Manohy ny asany i Ntsay Christian

Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika ny fahatokisany ny praiminisitra Ntsay Christian. Manana traikefa, tsy mivadi-belirano. Ho fanohizana ny ezaka vita no nanendrena azy indray.

Tsy naka sarotra ny filohan’ny Repoblika fa nanamafy ny toerana efa notazonin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nomeny ny herijika, hanohizana ny politikam-pampandrosoana efa natombony tamin’ny fotoam-pitondrana voalohany ny lehiben’ny governemanta. «Tsy tia manovaova olona aho saingy mijery fepetra maro vao maka ny fanapahan-kevitra. Olona manana traikefa. Olona nitokisana tsy mba namadika na nivadika, Ampy ny fahalalana ho enti-manatanteraka ny politikam-pampandrosoana izy», hoy ny filoha Rajoelina Andry, raha nanonona ny anaran’izay hiaraka hitantana aminy ny fahefana mpanatanteraka. «Mila olona resy lahatra fa ny va­hoaka malagasy sy ny sosialim-bahoaka aloha no lohalaharana», hoy hatrany izy. «Tsy noterena aho fa nanaraka fotsiny izay voafaritry ny Lalàmpanorenana. Niainga avy amin’ny anarana telo natolotry ny depiote maro anisa ny safidiko. Niarahan­tsika mahalala ny ezaka efa niarahana tamin’ny Praimi­nisitra. Mino aho fa ho hentitra ihany koa izy amin’ny fanaraha-maso ireo minisitra…», hoy izy namarana ny lahateniny mahakasika ny fanendrena ny lehiben’ny primatiora.

Malalaka ny rehetra

Mahakasika ny fanendrena ireo mpikambana anatin’ny governemanta kosa. Mazava ny nambarany, fa vita hatreo ny kitranoantrano sy ny kiteritery. «Izay olom-pirenena vonona ka mahatsapa fa mahafeno ny fepetra takiako sy takin’ny filan’ny vahoaka malagasy dia afaka manatitra ny taratasy fangatahany eny amin’ny Primatiora, ary manome dika mitovy ety amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Tsy hijerena tavan’olona io, fa miainga amin’ny fahaiza-manao sy ny fananana vina mba hanampy ny vahoaka. Olona vonona ny hanompo sy hitondra ny fampandrosoana, araka ny nampanantenaiko tamin’ny Malagasy», hoy izy.

«Tsy maintsy manao fianianana izay minisitra voatendry. Manao sonia ny fifanarahana ka raha misy ny tsy maharaka ny fomba fiasa dia afaka esorina avy hatrany. Raha misy ny mahatsapa tena fa tsy mahafehy ilay iraka dia tsy maintsy mametra-pialana ihany koa.», hoy hatrany ny filohan’ny Repoblika.

Marihina fa ny 6 jona 2018 no efa praiminisitra i Ntsay Christian, fony mbola filoha Rajaonarimampianina Hery.

Synèse R.

Partager sur: