Atrikasa fanoratana : ankizy no tilina handray anjara amin’ny hetsika

Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny.

Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika ny fanoratana. Ny avy eo anivon’ny IFM , miaraka amin’ny ekipan’ny Karné no iandraikitra ny fanatontosana izany atrikasa izany. Ny Ankizy no tilina handray anjara amin’ny atrikasa. Ny fomba fanoratana no entin’ ny ekipan’ny “Karné”, ho an’ny ankizy handray anjara amin’ny atrikasa. Araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra, hianatra hanoratra ny tantarany ireo ankizy handray anjara amin’ny hetsika.
Misy dingana maro arahina mandrira ny atrikasa. Voalohany indrindra ny fampahafantarana ny fanoratana amin’ny ankapobeny, izany hoe, ny paikady sy ny fepetra tsy maintsy arahina mba hahatsara fototra ny asa soratra vokarina. Faharoa manaraka izany ny fijerena sy fandalinana ary fitsikerana ny asa soratra sy ny fomba fanoratry ny mpahay kanto mpanoratra malaza. Any amin’ny farany vao hisy ny fampiharan’ny nandray ny fiofanana ny nampitaina taminy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika. Tokony hahay sy hahafehy ny fomba fanoratana, na dia ny tantarany fotsiny aza, ny ankizy. Ankoatra ny atrikasa, handravaka ny hetsika ihany koa ny kilalao sy fanentanana maro samihafa ho an’ny ankizy.

…tsy mahafehy ny fomba fanoratana
Tsapa sy hita ankehitriny fa mitombo ny olona misehatra amin’ny haisoratra. Manana aingampanahy tokoa izy ireny saingy ao ny tsy mahay ny fomba fanoratra sy tsy manaja izany ka lasa mandeha ila ny asa sorany. Izany indrindra no nanaovana izao atrikasa izao mba hahafehezan’ny ankizy izany fomba fanoratra izany dieny mbola kely. Mety hanampy ny ankizy amin’ny fanatontosana ny fianarany antsakany sy andavany izany, mety ihany koa hamoha ny talenta sy fahaiza-manaony amin’ny mpanoratra azy.

Lin

Partager sur: