Lilie sy Felaniary: raikitra ny «Takarivam-pifaliana»

Sady fifampiarahabana tratry ny taona 2024 no anisan’ny fanohizana ny fanafanana lanonana tanterahin’i Lilie sy Felaniary, any ivelany. Hanatontosa «Takarivam-pifaliana» Taombaovao 2024 any Toulouse izy ireo, anio, amin’ny 8ora alina (ora any an-toerana). Fampiaraham-peo tsy zoviana ho an’ny mpitia zavakanto. Anisan’ny andrasan’ny Malagasy maro monina any an-toerana sy ny manodidina, ny famohazana indray ireo hira nahenoina ny feon’ireto mpanakanto ireto. Tahaka izany koa ny fihirana ireo sanganasa vaovao toy ny «Fa angaha ?», «Mamiko», sns.
Anisan’ny mpanakanto malagasy tsy mitsaha-mamorona sy manatanteraka seho tsy tapaka any ivelan’i Madagasikara i Felaniary. Mpanakanto, teratany malagasy maro no mifanerasera aminy amin’izany. Nataony ho zava-dehibe hatrany ny fanomezan-danja ilay hira ahatarafana ny aingam-panahy malagasy, indrindra fa eo amin’ny feony (mazava, mirindra) sy ny tonony (mampita hafatra mafonja, manaja ny soatoavina). Ezahin’izy ireo asongadina ao amin’ny Salle l’Oustal izany anio alina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: