Mila fitandremana fatratra : Tia manambatambatra ny Malagasy

«Noho ny fifangaroana, sarotra «hono» ny mahita ny fototra » ! Mpikaroka maro no milaza azy io. Tranga mahazo ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa ny tahaka izany. Saingy, nisy ny nahay niaro fatratra ny azy, hany ka tsy nisy fiantraikany loatra tany amin’ny fototra ilay fitiavana sy finiavana te hampifangaro. Matetika ry zareo any Azia no tena saropiaro amin’ny maha izy azy eo amin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina. Mora ho an’ny taranaka taty aoriana no nitazona ny fototra avy eo.

Ho an’ny Malagasy, ny hiram-pirenena aza efa hia­ran’ny fanambatambarana feo hafa. Ny «Afindrafindrao», «Mandihiza Rahitsikitsika», sns, efa nolaroina zavatra hafa. Na, ny tsapiky sy ny kilalake, ampiana gadona vahiny hafa… Tsy ny hira ihany fa saika ahitana tahaka io ny ankamaroan’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy. Anisan’ izany ny sokitra, ny hosodoko… Saika manorina ny fikarohany amina fampivadiana zavakanto na kolontsaina roa na telo samihafa ny mpanakanto malagasy.

Antony maha sarotra ny fahafantarana ny fototra iorenana sy ny niaingana ny fanambatambaran-javatra. Maivana, mitsingevana, anefa ny zavatra tsy misy fototra. Tsara ny mikaroka sy mahita zava-baovao, saingy, mila fitandremana fatratra ny fanatanterahina izany !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: