Ankoatra ny fandraisana sy ny fandefasana entana sy taratasy, miantsehatra amin’ny fikirakirana vola ny Paositra Malagasy. Nitombo ireo mpanjifa ny tolotra ara-bola rehetra omen’ity orinasam-panjakana ity, tanatin’ny telo taona.
Fivoarana lehibe ny hita nandritra ny 30 taona nisaloran’ity orinasa ity ny anarana Paositra Malagasy. Nampahafantarina omaly, ny ezaka vitan’ny orinasa ny taona 2023 sy ny vina 2024. Nilaza ny Tale jeneraly, Ranarison Richard, fa « mpandray anjara fototra amin’ny fampiatiana ara-bola ny Paositra Malagasy ». Maherin’ny 90 000 ny kaonty tahiry nisokatra ny taona 2020 hatramin’ny 2023. Manodidina ny 89 000 ny mpanjifa nandefa sy naka vola tamin’ny Western Union ary nahatratra 114 000 izany ny taona 2023. Raha 21 000 ny mpanjifa nampiasa ny tolotra « e-mandat vaovao » (EMV) ny taona 2021, nihoatra ny 26 000 izy ireo ny taona 2023. Manampy ireo ny fampiasana ny karatra Visa “e-poketra” sy ny “Paositra Money”.
“Paositra Finance”
Nahazo ny fahazoan-dalana hametraka ny “Paositra Finance” amin’ny fampindramam-bola madinika ny Paositra Malagasy ny 3 septambra 2023. Vinavinaina hisokatra ny volana avrily izao ny « Paositra Finance » voalohany eto Madagasikara, haparitaka any amin’ny masoivoho mihoatra ny 250 manerana ny Nosy. Hisy ny fanatsarana ny sata mifehy ny orinasa.
Henintsoa Hani