Taranja Judo : Atleta telo miofana atsy La Réunion

Niainga ny alakamisy ali­na, teny Ivato, hamonjy ny nosy La Réunion, ireo Mala­gasy atleta mpikatroka ny taranja judo telo mirahalahy. Hiofana hiaraka amin’ny ekipam-pirenena frantsay any an-toerana izy ireo. Nano­m­boka afakomaly hatramin’ny 12 janoary ho avy izao izany. Anisan’ireo manatrika izany Ravelojaona Rayan, latsaky ny 73 kg, Ranaivoarisoa Fetra, latsaky ny 81 kg, ary Rasoanaivo Lucas, – 66 kg.

Raha ny fanazavana azo tamin’ny Federasiona malagasin’ny taranja judo (FMJ), ny Federasiona frantsay avokoa no hiantoka ny fandaniana rehetra amin’ny fiofanana any an-toerana. Anisan’izany ny trano sy ny sakafon’ireo Malagasy atleta. Nomarihin’ny FMJ fa izy telo mirahalahy dia mpilalao nisongadina nandritra ny lalaon’ny Nosy, izay notontosaina teto Madaga­sikara, ny taona 2023.

Ankoatra izay, hanatrika ny fiofanana izay karakarain’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny judo, any Budapest, Rasoanaivo Laura, vehivavy malagasy Judoka. Tsiahivina fa i Laura no hiady ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika 2024”.

Marihina fa manomana ny “lalao Olympika 2024”, izay hatao any Paris, ny ekipa nasionaly frantsay izay manao fisitahana kely ao La Réunion.

Fitia Randria

Partager sur: